Mandray tànana sa tsia ?

Nampidirin'i tsikisariaka | 25 Okt, 2007

Rehefa mifampiarahaba dia inona no mety mandray tànana ve sa tsia. Dia iza no tokony hanome ny tànany voalohany ? Ny zokiny, ny zandriny, ny lehibe ara-pahefana sa ny kely, ny vehivavy sa ny lehilahy ? sns sns fa iza ?

Ary raha toa indray ka tsy te-handray tànana dia ahoana ? azo lazaina fa tsy mahalala fomba ve izy sa ilay misosososo tànana no tsy mahalala fomba ?

Dia inona no paika raha tsy te-handray tànana nef ailay iray zatra manolotra ? Dia ahoana koa rehefa toloranao tànana ny ankilany nefa izy tsy nandray akory ?

Ndao resahina. 

 

Nahita aho fa tsy nangalatra

Nampidirin'i tsikisariaka | 25 Okt, 2007
Omaly no tontosa ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny herinandron'ny Havatsa Upem Madagasikara tetsy amin'ny Tahala Rarihasina Analakely. Nizotra ara-dalàna ary nahafinaritra tokoa ny lanonana, toy ireny mahazatra ireny ihany e ! mikabary dia fifankafantarana sy tsidika eny amin'ny fafana dia avy eo ny tsaingoka iraisana. Ny tolakandro dia antsa tononkalo, Alarobia moa ny andro dia be ny mpianatra no tonga tao. Ny nahafinaritra ahy dia ny namaky ny tononkalon'ny namana ka ity no hitako dia novakiako ary izay no nilazako hoe "nahita aho fa tsy nangalatra". Mialoha izany aloha dia torahako voninkazo avy hatrany ny mpanoratra fa tsara sy tian'ny mpihaino ilay izy sady niangolàko rahateo. Indro ary : IANAO... Tazaniko ny hariva sy fara-vodilanitra Ny voninkazo manitra... Ianao no tsinjoko any ! Henoiko ireny vorona misioka tsy miato Mivazo tena kanto... Ianao no henoko eo Izay rehetra misy, miserana anoloako Dia lasa feno loko... Miloko ny endrikao ! Tsy misy intsony izaho fa efa... ianao No miaina anatiko ao... Feno anao ny fiainako. Nosoratan'i DadaRabe (RABE Andriamaro Paoly) tany Aix-en-Province tamin'ny 24.12.03 Mpikambana ao amin'ny Havatsa Upem any Paris